Actualités

Serasera 2010 Radio sy Tele miisa 91 no nakatona


  • Alakamisy 06 Janoary 2011

Fito volana no nitantanan’i Malazarivo Félix ny ministeran’ny Serasera, nandimby toerana an’i Nathalie Rabe.

Isan’ny nanamarika izay fotoana izay ny hamaroan’ireo radio sy fahitalavitra nakatona rehefa voamarina fa tsy ara-dalàna izy ireny araka ny nambarany. Nisy rahateo ny fanapahan-kevitry CSCA, izay sampandraharaha eo ambany fiadidian’ny ministeran’ny serasera sy ny ministeran’ny fifandraisandavitra ny 24 aogositra 2010 izay mampiantona ny fahazoan-dalana manao fandaharana andrana azon’ireo radio tamin’ny taona 2009 sy 2010. Raha ny fanazavana azo avy amin’ny tompon’andraikitra iray tsy nitonona anarana avy amin’ity departemanta ity dia nahatratra 91 ireo radio sy televiziona tsy nanara-dalàna ka naato tamin’iny taona 2010 nivalona iny. Saika avy eto raha ny arivo avokoa ireo orinasan-tserasera nakatona ireo ka isan’izany ny radio “Fototra” an’ny antoko Hasin’I Madagasikara izay niteraka resabe tokoa.

Efa andalam-pikarakarana ny antotan-taratasy maha ara-dalàna azy avokoa anefa na izany aza ireo orinasa ireo raha ny fanambaran’ilay tompon”andraikitra ihany. Nanambara kosa ingahy ministra raha nanao tatitry ny zava-bita nandritra ny taona 2010 ny tenany omaly fa hisy ato ho ato ny tolobidy momba ireo mari-drefy (fréquence) radio sy fahitalavitra mbola malalaka ka azo zaraina amin’ireo mpangataka. Efa nisokatra ny 30 novambra 2010 lasa teo indrindra ny fametrahana dosie ho an’ireo orinasa maniry handray anjara amin’io tolobidy io araka ny didim-panjakana noraisin’ny filan-kevitry ny ministra. Tsy mbola fantatra kosa anefa, hoy izy ny isan’ireo mari-drefy malalaka ireo. 

Sary : Malazarivo Félix, ministry ny serasera

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT