Actualités

Seranana Ivato Efa ela no nisy lonilony ny polisy sy ny zandary


  • Talata 18 Janoary 2011

Araka ny loharanom-baovao dia efa ela no nisy lonilony teo amin’ny polisy sy ny zandary eny amin’ny seranana Ivato.

Noho ny tombontsoa azo eo amin’ny asa no fantatra fa mahatonga ity disadisa anaty eo amin’izy ireo ity. Noho io disadisa io dia mifampiandry kendry tohina izy ireo. Voalaza fa anton’ny lonilony ny fahatrarana ireny vola devizy sy sokatra ary volamena sarona teny Ivato saika hoentina any andafy tamin’iny taona lasa iny. Matetika mantsy dia ny zandary no mahatratra ilay izy ary voarohirohy ny polisy sasany. Efa nisy ny fampihavanana nataon’ny lehiben’ny andaniny sy ny ankilany satria tsy vao izao vao nisy ny fifanolanana imasom-bahoaka teo amin’ny polisy sy ny zandary fa efa maro.

Toa kabary tsy valiana anefa ny an’ny lehibe araka ny voalazan’ireo madinika izay misy olana aty ambany. Vokany, izao miverina izao indray ny olana ka niafara tamin’ny fifampikasihan-tanana mihitsy. Raha izao no mitohy ka tsy misy ny fandraisana andraikitra eo amin’ny tompon’andraikitra dia ahiana ny mety hisian’ny poa-basy mihitsy. Raha ny marina, na ilay zandary na ilay polisy dia samy mila handraisana fepetra satria samy manohintohina ny filaminana eny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena. 

Rakoto Maxime

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT