Actualités

Seranan-tsambon’i Toamasina Anisan’ny atao lavanty ny Whisky iray kaontenera


  • Alatsinainy 02 Jolay 2018

Hanao lavanty ireo entana tsy nalain’ny tompony tao anatin’ny 02 volana sy tapany araka ny lalana mifehy ny fadintseranana ny ladoany eto Toamasina ny 09 hatramin’ny 11 jolay ho avy ireo.

 

Raha ny fandaminan’ny kaomisionina nandinika ny entana na voàndron’entana (lots) hatao lavanty mandritra izany dia miisa 192 izy ireo, izay efa azo jerena amin’ny tranokalan’ny ladoany Malagasy sy eny anivon’ny ladoany manerana ny nosy ary amin’ireo peta-drindrina samy hafa ka isan’izany ny eo anivon’ny vadintany misahana ny lavanty eto Toamasina ny Me Rasamimaka Mahefalahy. Tahaka ny efa fanaon’ny ladoany hatramin’izay mba ampangaraharaha ny lavanty atao, dia atao anaty valopy mihidy ny tolotra ataon’ireo mpandray anjara tsirairay, izay tataovana 10% ho an’ny vadintany izany, ka iarahan’ny ladoany ny vadintany, ny orinasa eo anivon’ny serasan-tsambo mpitahiry ny entana, ny Bianco ary ny solon-tenan’ny mpandray anjara, ny fanaraha-maso ny fizotri’izany rehetra sy ny fanokafana ny valopy hamantarana ny laharana telo voalohany nanao ny tolotra be indrindra amin’ny entana na vondron’entana tsirairay avy. Ankilan’izay raha ny momba ireo entana dia miisa 177 ireo kaontenera hiditra lavanty ireto, ka isan’izany ilay kaontenera 20’ misy ilay toaka avo lenta (whisky) nampisy resa-be tao Toamasina, izay mitentina 25 tapitrisa ariary ny loto-bidiny amin’izao lavanty izao; isan,ny tafiditra amin’irei kaontenera hatao lavanty ihany dia ny entana manakonan’ingahy Ny Rado Rafalimanana ao anaty kaontenera 40’ izay 5.000.000 ariary ny tolo-bidiny. Miisa 43 kosa ireo fiara tsy nisy naka teo anivon’ny orinasa Smmc hiditra lavanty ka isan’ny hatao lavanty mandritra izany koa ny fiara Renault Clio ho an’ny kaominina Morondava izay mitentina 5.100.000 ariary ny tolo-bidiny, sy ny fiara Renault Kangoo ho an’ny borigadin’ny zandary ao Ankadikely .

 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT