Actualités

Seranam-piaramanidina Ivato Miroborobo ny trafika, miteny ny vola


  • Alatsinainy 16 Febroary 2015

Nanambara ny minisitry ny vola sy ny tetibola Gervais Rakotoarimanana fa hisy ny fanadihadiana manokana tsy maintsy ho tanterahana eny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato mba hamantarana hoe aiza ny lesoka ka mahatonga ireo harem-pirenena tafavoaka foana ka lasa any ivelany isaky ny mihetsika.

 

Anisan’izany moa ny sokatra, volamena, vato sarobidy sy zavatra hafa lafo vidy.Tsy misy ny maharatsy ny hevitr’ingahy minisitra, saingy efa maro ny fitaovana maoderina sy lafo vidy napetraka teny Ivato, saingy misy ihany ny entana tafavoaka, nohamafisina ny fisavana , fa misy ihany ny entana tafaporitsaka.Tsy ny fitaovana no hoe ratsy na misy simba fa misy mihitsy ny olona mandray tsolotra ka mikipy  maso eny Ivato eny.Ahoana moa no tsy nahitana teo am-pidiriana ireo « hippocampe » maina an’arivony niaraka tamin’ny « concombre de mer » , teny Ivato fa efa any anaty fitoeran’entan’ilay fiaramanidina vao hita tampoka ilay izy?  Misy olona ve izany mbola tena raitra lavitra noho ny scanner ny masony ka mahita avy hatrany ny ao anaty valizy? Sa ve nisy vola nifampizarana mialoha tao ka mety kely loatra ny an’ny sasany na  tsy nahazo mihitsy dia tezitra ka nampandre ny polisin’ny sisitany hoe: “jereo haingana fa misy entana mampiahiahy ao anaty “soute” ao” ?Malaza ratsy amin’ny fisiana trafika eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato eny, ny mahagaga dia votsotra foana avy eo ireo olona samborina, izay matetika Karana sy Sinoa, fa iza marina no miaro ireny olona ireny ?Tena niseho ho hentitra raha nandray fahefana ny praiminisitra Jean Ravelonarivo, ka ho hita eo indray izay ho afitsoky ny governemantany amin’ny fiarovana ny harem-pirenena, hanakana ny trafika marina ve, sa hikipy maso tahaka ny fanaon’ny sasany ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT