Ny eo tsy miravona, ny hafa misosoka ihany. “Lingot” volamena amin’ny 500 g isanisany avy mitotaly 2kg sy “hippocampe” 3000 isa indray no sarona teny
amin’ny Seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato omaly. Teratany Srilankey no nitondra ilay volamena saika haondrana atsy amin’ny Nosy Maorisy, raha teratany Sinoa no nitondra ireo “hippocampe” ho any Hong Kong. Sidina iray no niarahan’izy ireo. Ny lalàna famaizana eto amintsika ve no maivana ka tsy atahoran’ireo mpanao trafika, sa izy ireo mihitsy no tsara mpiaro no dia tsy hay tohaina na dia efa mihantsy manampahefana tsotra izao aza e ? Mampieritreritra an ! Fifanandrifian-javatra fotsiny ihany koa ve fa toa nifanojo tamin’ny nanoloana tompon’andraiki-panjakana ambony teo anivon’ny minisiteran’ny fitantanam-bola sy ny tetibola no nahasaronana ireto hosoka ireto.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.