Actualités

Seranam-piaramanidina Ivato Malaza ratsy amin’ny trafika, tafiditra anaty lisitra mainty ?


  • Zoma 10 Desambra 2010

Ahiana hiditra ao anatin’ny lisitra mainty ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena eny Ivato amin’izao fotoana noho ireo karazana trafika sy entana an-tsokosoko miditra sy mivoaka eny an-toerana.

Seranam-piaramanidina tsy azo atokisana ary tsy manintona ny mpandeha avy any ivelany moa izany hoe ao anatin’ny lisitra mainty izany ary raha sanatria izany no tanteraka dia mety hampiato mihitsy ny fifaneraserany amintsika ireo kaompaniam-pitaterana vahiny. Maromaro ihany mantsy ireo tranga hafahafa sy mandika ny lalàna nitranga teny Ivato teny tato anatin’ny volana maromaro izao, teo aloha ny fikasana hanondrana an-tsokosoko ireo zava-manan’aina izay mampiavaka an’i Madagasikara toy ireo sokatra kely antsoina hoe angonoka sy ny tanalahy. Fa ankoatra ireo dia mampalaza ratsy ny seranam-piaramanidina eny Ivato koa ny fanondranana vola vahiny tsy nanaovana fanambarana mazava. Fa eo ihany koa ny rongony isan-karazany, manampy izany ny volamena sy vatosoa.

Misy amin’ireo zavatra naondrana an-tsokosoko ireo moa no tratra eny Ivato ihany noho ny fitsirihana natao na ny fampitam-baovao voarain’ny polisin’ny sisintany ara-potoana fa misy kosa ny tafaporitsaka ka tratra any amin’ireo seranam-piaramanidina any ivelany, tahaka ny tany Maorisy, Bangkok, Afrika Atsimo ary La Réunion. Ny eny Ivato no tena malaza sy mandeha matetika amin’ny filazam-baovao, fa tsy fantatra koa anefa izay mitranga any amin’ireo seranam-piaramanidina hafa eto amin’ny nosy izay mifandray mivantana avy amin’ny any ivelany tahaka ny any Nosy Be, Toamasina, Tolagnaro. Manaratsy endrika tanteraka an’i Madagasikara ireo trangana trafika isan-karazany eny amin’ny seranam-piaramanidina ireo, ary raha milatsaka tokoa sanatria, ity sazy hisokajiana ny eny Ivato ho seranam-piaramanidina ao anatin’ny lisitra mainty, dia ho sarotra ny hamerina indray ny fitokisan’ireo kaompaniam-pitaterana sy ny orinasa vahiny miasa eo amin’ny sehatry ny fizahantany amintsika.

Noho izany dia tsy tokony ho variana fotsiny amin’ny hoe tetikasa goavana fanitarana ny seranam-piaramanidina na fananana ny fenitra amin’ny fiarovana ny filaminana sy ny fandriampahalemana ny eto amintsika fa manamafy ny fanaraha-maso ireo entana mivoaka sy miditra ihany koa. Ny eo amin’ny sehatry ny fifamoivoizana anabakabaka no resahana eto, fa mbola zavatra hafa mihitsy indray ny amin’ny fitaterana an-dranomasina satria dia mibanaka tanteraka, araka ny fomba fiteny ny moron-dranomasina eto Madagasikara. 

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT