Fa inona no mitranga ? Maha be resaka ny maro indray izao ny hoavin’ny ADEMA (Aéroport de Madagascar). Re mantsy fa mitady hanao tampody fohy ao amin’ny Adema indray ny ADP (Aéroports de Paris) rehefa nisintaka tamin’ny 2005, naha teo amin’ny fitondrana an’i Marc Ravalomanana, ka nandraisan’ny fanjakana ny petrabolany 34% tao
. Niakatra ho 64% nanomboka teo ny petrabolan’ny fanjakana tao anatin’ny Adema niaraka tamin’ny Sonapar, Air Madagascar, Sofitrans ary ny tranompiatohana ARO. Manimanina ny tamin’ny desambra 1990 nananganana ny Adema S.A ve ny “Aéroports de Paris” miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy no mikasa hiverina, sa ny mpitantana ankehitriny mihitsy no nikitika azy ireo mba handray an-tanana ny Adema ? Araka ny loharanom-baovao samihafa dia saika hatao tolo-botsotra amin’ireto orinasa frantsay ireto ny famindram-pitantanana ireo seranam-piaramanidina miisa 12 eo ambany fiahian’ny Adema ary mandritra ny 30 taona eo izany. Ny etsy Ivato sy Fascene any Nosy-Be ihany anefa no tena mahaliana ireo vahiny ireo, fa ho ambinambin-javatra ireo folo ambiny. Ireo seranam-piaramanidina iraisam-pirenena roa ireo anefa no miantoka any 90% ny fidiram-bolan’ny Adema amin’izao, izay raha ny fantatra dia anisan’ny nanampiana ny fampandehanana ny Air Madagascar ny ankamaroan’ny vola azo tamin’izany, efa ho 20 miliara any. Nanaovana tolo-bidy iraisam-pirenena indray ny raharaha rehefa saika vaky bantsilana. Tsy naharitra afa-tsy tapa-bolana teo anefa izany, 4-18 febroary saingy vao mainka nampitsikafona zavatra maro, toy ny fidangan’ny tamberimbidy (redevance) ho 6 alina hatrany amin’ny 1 hetsy Ariary any hotangosan’ny mpifaninana sasany raha izy ireo no mahazo ny fitantanana ireo fotodrafitrasa ireo. Tsy hasiam-panitarana anefa fa hijanona amin’izao efa misy izao ireo seranam-piaramanidina ireo… Tsy mahafaly ny mpiasan’ny Adema ny zava-misy, ary re fa tsy hipetra-potsiny amin’izao izy ireo. Azo sokajiana ho toerana saro-pady na stratejika ho an’i Madagasikara rahateo ireto noho izy vavahady mampifandray antsika amin’ny any ivelany. Tantara mitohy !
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.