Actualités

Sendikan’ny mpiasan’ny MPTDN “Tsy mila minisitra efa ratsy laza izahay”


  • Zoma 29 Jona 2018

Mitohy ny grevy ataon’ny sendikan’ny mpiasan’ny minisiteran’ny paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny fampivoarana ny haitao ara-kajy mirindra (MPTDN) eny Antaninarenina izay efa naharitra 2 herinandro izao.

 

Antony moa dia ny tsy fankasitrahana hatrany ny minisitra vaovao Maharante Jean de Dieu. Efa naloan’ny mpiasa tany amin’ny nisy azy tany ary efa tena ratsy laza ny amin’ny fomba fitantanana ny mpiasa ka tsy ekenay, hoy izy ireo.  Mitaky tsy misy hatakandro ny fanoloana sy ny fialan’io minisitra io, ary tsy hiasa mihitsy ireto farany  raha tsy tanteraka ny faniriany. Tsiahivina fa efa nisy ihany ny fihaonana tamin’Andriamatoa lehiben’ny governemanta saingy tsy nahitana valin-teny mazava sy mahafa-po azy ireo. Tsy mbola nisy kosa ny fihaonana mivantana tamin’ny sendika sy ny minisitra vaovao fa solontena efa tratran’ny fanerena avy any hatrany no tonga eto aminay, hoy ihany izy ireo. Efa manatevin-daharana amin’ity hetsika ity ihany koa moa ny mpiasa avy amin’ny faritany na dia nisy aza ny fandrahonana ny amin’ny fanapahana ny karama sy ny fandroahana mihitsy, araka ny tatitra nataon’ny mpiasa.

Tsiry


  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT