Mbola mitohy hatrany ny fitokonana tanterahin’ireo sendika eo anivon’ny minisiteran’ny tontolo iainana eto amintsika.
Raha ny fanazavan’ny mpitondra tenin’izy ireo, tsy voavaly tanteraka ny fangatahany amin’ny hisian’ny tena fiovana marina eo anivon’ity minisitera ity, anisan’ireny ny fanovana ireo akipan’ny minisitra vaovao ankehitriny izay mbola ekipan’ny minisitra teo aloha ihany. Toraka izany koa ny fanaraha-maso akaiky ireo bolabolana andramena sy sokatra misy manondrana an-tsokosoko izay nambaran’ity sendika ity fa tena nandeha be tato ho ato. Andrasan’izy ireo fatratra, araka izany, ny handraisan’ireo mpitsara misahana ity resaka bolabolana andramena sy sokatra ity ny andraikiny avy hatrany. Mino mantsy ity sendika ity fa na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy hisy ho tratra ireny karazan’olona ireny. Tsiahivina fa vao tamin’ny zoma lasa teo no tafatsangana teto amintsika ny Fitsarana misahana manokana ny resaka bolabolana andramena sy sokatra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.