Nanao fanambarana tetsy amin’ny SEndika KRIstianina Malagasy Behoririka ny sendika solontenan’ny mpiasa avy ao amin’ny orinasa Kraoma omaly alatsinainy 13 aogositra.
Nisy mantsy ny fametraham-pialana nataon’ny tale jeneraly sady filohan’ny filankevi-pitantanan’ny orinasa. Nanaitra ny mpiasa ny tsy fanarahan-dalàna teo amin’ilay fametraham-pialana sy ny tale jeneraly mpisolo toerana vonjimaika (interim). Tsy fantatry ny mpiasa akory mantsy hoe taiza sy oviana ny tale jeneraly no nametra-pialana sady notendrena maika ireo mpisolo toerana izay nolazain’ny minisitry ny harena ankibon’ny tany fa hisahana ny fampandehanan-draharaha mahazatra (affaires courantes) fotsiny. Tsy misakana izay fanendrena natao ireto mpiasa ireto saingy manda hatramin’ny farany ny amin’ny fikasan’ny fanjakana hanao fisokafana amin’ny hafa momba ny renivolan’ny orinasa Kraoma (ouverture de capital) na ihany koa hanome ny fitantanana ho an’ny vahiny (privatisation). Manaraka izany, rehefa hijanona eo ihany ireo mpisolo toerana ireo, dia nangataka izy ireo mba tsy hanendry tale jeneraly vaovao mihitsy aloha ny fanjakana fa aleo ho anjaran’ny filoham-pirenena vaovao izay ho lany aorian’ny fifidianana ny hanatanteraka izany. Nitaky ihany koa ireto mpiasa ireto ny mba hanana solontena ao anatin’ny filankevi-pitantanana na dia tsy mpanapa-kevitra aza. Farany nanambara izy ireo ny tokony hanaovana fanadihadiana lalina avy ety ivelany, izay tsy hidiran’ny fanjakana, mikasika ny fitantanana rehetra tao amin’ny orinasa Kraoma hatramin’izay. Mampalahelo fa izay tonga ao dia miala moramora fotsiny avy eo ary tsy misy fanaraha-maso sy arakaraka mihitsy ka hiteraka fahapotehana sy fanaovana tantely afa-drakotra ny orinasam-panjakana, hoy izy ireo. Miantso ny praiminisitra ireto mpiasa ireto mba hanaiky hihaona amin’izy ireo faran’izay haingana mba hijery ny vahaolana amin’izao hetahetan’izy ireo izao.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.