Nisy foana ny politikan’ny angovo teto Madagasikara, hoy ny teo anivon’ny SMARM
na Sendikan’ny mpiasan’ny angovo sy ny rano eto Madagasikara. Tamin’ny 2015 izao, hoy ny mpanolontsain’ity sendikà ity, Fils Razafintsalama, nanasonia izany ny minisitra Horace Gatien. Fanontaniana mipetraka amin’ny malagasy manontolo mihitsy nefa izao, hoy izy, ny hoe fa maninona tokoa moa no tsy mety manjary ity tontolon’ny angovo eto Madagasikara ity, indrindra, ny herinaratra? Kely dia kely ny isan’ny mponina raha nihoatra tamin’ny tany taloha. Rehefa natao ireny ivotoeram-pamatsiana herinaratra tany Andekaleka ireny ka nihevitra hoe toby mpihary herinaratra na «groupe hydroéléctrique» miisa 4 no ampy, izany hoe «turbine» io, dia miisa nefa dia efa tsy lany. Niantona tao ny 2. Tsy rototra teo dia nihazakazaka tampoka avy eo ny fitombon’ny mponina an-tanàn-dehibe. Tsy naharaka tampoka indray ilay izy nefa isika efa tsy nanam-bola intsony fa bokan-trosa tamin’ny «ajustement structurelle» na fanarenan-drafitra ara-bola nataon’ny banky iraisampirenena teo anelanelan’ny taona 1980 teo. Repoblika faha 3 vao napetraka ny «groupe» faha 3 tao Andekaleka sy faha 4. Efa tara be. Ny «centrale thermique» na ivontoerana mpamatsy herinaratra no nanentsenana ny banga. Nisy «groupe» miisa 4 teo Mandroseza. Nisy 2 teo Ambohimanambola. Rehefa tsy ampy intsony ny tolotra ho an’ny herinaratra dia lasa miazakazaka any amin’ny fanaovana «groupe thermique» isika io. Menaka diesel no nampiasaina aloha fa taty aoriana vao nisy ny menaka mavesatra na «fuel lourd». Lafo be ny mason-karenan’ny diesel dia vao mainka niha ritra ny vola dia tsy vita intsony ny tany Andekaleka, ny tohodrano maro samihafa sy ny fitrandrahana izay heverina hoe tokony ho tetikasa fihariana herinaratra rehetra. Efa voajery daholo nefa ireo renirano rehetra eto Madagasikara ireo. 7800 Megawatt no tahirin’angovo avy amin’ny rano eto. Efa hatramin’ny andron’ny vazaha no nitsirihana ireo renirano ireo hoe manao ahoana ny vaika na «débit» rehefa fahavaratra, lohataona, ririnina, fararano ahafahana maka angovo ao aminy? Ny ORSTOM na «Organisation de recherche scientifique du territoire d’outre mer» moa no manana ny tahirin-kevitra maro momba ny angovo azo avy amin’ny rano eto, izany hoe ny vazaha. Ny mpanjanatany no nahita an’Andekaleka. Ireo koa no nanao an’i Mandraka sy Telomita I sy II. Ny tao Fianarantsoa moa nisy an’i Namorona sy Ambohimanandray. Misy «central hydroélectrique» kely koa any Ampefy, Ankazobe, misy madinidinika hafa koa. Miisa 13 eo izy tamin’izany. Efa tamin’izany ny JIRAMA no niezaka hoe angovo avy amin’ny rano no hamokarana herinaratra fa tsy niandry ity lamaody hoe «transition énergétique» na fiampitàna amin’ny angovo azo avaozina ity. Tsy maintsy manana sata moa ny orinasa rehetra ary ny JIRAMA orinasa. Tamin’ny taona 1975 ny JIRAMA no efa «société anonyme» na hoe orinasa tsy anavahana anarana. Izany «société anonyme» izany be dia be mihitsy ny tompona petrabola ao aminy. An-jatony, an’arivony, an’aliny mihitsy aza ny sasany. Azo atao tsara koa nefa hoe tokana ny tompon’ny vola miasa ao na «actionnaire unique». «Société anonyme a associé unique», izany hoe tokana ny mpiara-miombon’antoka, no nahalalàna ny JIRAMA hatramin’izay saingy nony ity notovanan-dry zalahy hoe «à participation public» na andraisan’ny rehetra anjara ity fotsiny no ohatran’ny tsy azon’ny olona. Ny fidiràna amin’ny fanokafana renivola, raha hisy izany, no lavin’ny mpiasan’ny JIRAMA hatramin’ny farany amin’io sata vaovao io. Mampanahy koa ny hoe ho lasa kitihana isan-3 volana sa 2 taona sa isak’izay tiana ikitihana azy ve izany io sata io? Tsotra ny vahaolana! Tsy voatery hanaraka ny baikon’ny mpamatsy vola vao hanao zavatra fa mahavita manarina an’io JIRAMA io ny gasy ary manana ny enti-manana hanaovana an’izany isika, hoy hatrany ny SMARM!
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.