Actualités

Sendikan’ny teknisian’ny fananan-tany Naharay SMS mampiorohoro


  • Zoma 27 Febroary 2015

Tsy afa-po tamin’ilay fikaonan-doham-pirenena mikasika ny politika nasionalin’ny fananan-tany farany teo ireo teknisiana manerana ny nosy eo anivon’ity sampan-draharaha ity. Miisa 3 ireo lesoka hitan’ny fivondroan’ireto sendika teknisiana telo tonta

 

ireto. Voalohany, ny fahafahan’ireo mpampiasa vola mbola mangataka tanim-panjakana raha tsy afaka manao izany ny sarababem-bahoaka. Faharoa, zara raha noraisina ireo soso-kevitra naroson’ireo teknisiana nandritra ny famolavolana ny politika vaovao hifehy ny fananan-tany eto Madagasikara. Fahatelo, ilaina ny fandrafetana sata manokana mifehy ireo sokajy mpiasam-bahoaka ahitana ny «Inspecteur des domaines et de la propriété foncière», «Contrôleur des domaines» ary ny «Assistant rédacteur des domaines». Efa nangataka fihaonana tamin’ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra hitondran’izy ireo ny hetahetany ho fanatsarana ny sehatry ny fananantany eto Madagasikara moa ny fivondroan’ireo sendika teknisiana telo tonta eo anivon’ny sampan-draharahan’ny fananan-tany saingy tsy nahazo valiny hatramin’izao, araka ny fanazavana nandritra ny fivoriamben’izy ireo teny Anosy omaly. Naharay SMS tamin’ireo finday fampiasa eo anivon’ny ministera misy karazany 3 feno andianteny ramatahora sy fampitandremana ireo fonksionera ho mikonokonona fanonganam-panjakana kosa no setrin’izany.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT