Nanatitra fitoriana manafoana ny didim-panjakana izay manome alalana ho an`ny orinasa tsy miankina iray hamory ny hetra alaina amin`ny vahiny miditra eny amin`ny fadintseranana ny sendikan`ny sampandraharahan`ny mpiasan`ny hetra omaly.
Taitra avokoa ireo mpiasan`ny sampandraharahan`ny hetra raha nahita ny didim-panjakana milaza famindram-pitantanana tamin`ny gazetim-panjakana ny alakamisy lasa teo. Nametraka fitoriana eny amin`ny fitsarana misahana ny ady amin`ny fanjakana izahay, hoy Rakotondramanana Christian, filohan`ny sendikan`ny sampandraharahan`ny hetra. Ny volana janoary lasa teo no nomena notantanin`ny orinasa tsy miakina iray ny famoriana ny hetra amin`ny teratany vahiny miditra eny amin`ny seranana. Marihina fa andraikitr’ireo misahana ny hetra hatramin`izay izany ary voarakitra ao anatin`ny lalàna fa izy ireo no mitaky ny hetra eny amin`ny seranam-piaramanidina sy seranan-tsambo amin`ny teratany vahiny miditra eto Madagasikara raha ny fanazavana hatrany. Nesorina tamin`ny sampandraharahan`ny hetra anefa io asa iray io ka nomena hotantanin`ny orinasa tsy miankina. Mifanohitra tanteraka amin`ny voalazan`ny fehezan-dalàna ankapoben`ny hetra ny fanomezana ny fitantanam-bolam-panjakana. Tsy mbola tara ny fametrahana io fitoriana io na dia nafenina tamin`ny sendikà aza ilay didim-pitsarana ka tsy nahafahan`izy ireo nitory mialoha, hoy ny filohan`ny sendikà. Mahavariana fa tsy no lazaina tamin`ny filankevitry ny governemanta io didim-panjakana io. Tonga niara-nanatitra ny taratasin`ady tetsy amin`ny fitsarana misahana ny ady amin`ny fanjakana etsy Anosy ny sendikan`ny sampandraharahan’ny hetra sy ireo mpikambana ao amin`ny SSM na “Solidaritè syndicale de Madagascar”.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.