Nitaky ny fanatsaharana ny fanendrena na “nomination” ao amin`ny minisiteran'ny paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny fampivoarana ny haitao ara-kajy Mirindra ny sendikan`ny mpiasa saingy tsy notanterahina.
Nandalo fifampiresahana avokoa fa minia manao bemarenina ny fitondrana, hoy ny sendikan`ny mpiasa. Taorian`ny fihaonana teo amin' ny praiminisitra Ntsay sy ny minisitra Maharante Jean de Dieu ary ireo solontenan'ny sendikan'ny mpiasa ao amin'ny minisiteran'ny paositra, dia nifanaraka fa hiara-kifampidinika. Etsy an-kilany, nitaky ny sendikan`ny mpiasa fa hatsahatra ny fanendrena maro samihafa eo anivon`ny minisitera. Etsy an-daniny, nitaky kosa ny fanatsaharana ny zava-maneno sy ny fihetsika izay miendrika fanakorontanana ny fitondrana. Rehefa misy ny marimaritra iraisana dia hosoniavina manoloana ny praiminisitra sy ireo mpiara-miasa rehetra saingy lasa any amin`ny minisitra ny fitakiana kanefa mitohy hatrany ny fanendrena. Hihamafy ny fitakiana ary tsy hiditra hiasa ny mpiasa raha tsy vita ny sonia eo amin`ny fifanarahana. Tsy manao antso avo intsony ny mpiasa fa anjaran`ny minisitra Maharante no miantso azy ireo, hoy hatrany ny fanazavana. Raha ny fantatra dia hisy fihaonana amin`ny alatsinainy ho avy izao amin`ny roa tonta saingy kosa nanamafy izay ireo tsy hiditra hiasa ary tsy mbola misy zavatra mandeha eo amin`ny minisiteran`ny paositra.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.