Actualités

Sendikalista sy ny Praiminisitra Nifanasa vangy teny Tsimbazaza


  • Sabotsy 30 Jona 2018

Rehefa voalaza fa tsy nisy hetsika teny amin’ny kianjan’ny 13 mey omaly zoma 29 jona 2018 dia nanao rodobe nandalo naka vaovao mikasika ny LFR tety amin'ny lapan'ny Antenimieram-pirenena ireo sendikalista ma avy amin’ny ministera maromaro (Fampianarana, Fitaterarana ary Paositra sy fifandraisan-davitra).

Nifanehatra tamin’ny fahatongavan’izy ireo teny Tsimbazaza ny fahatongavan’ny praiministra Ntsay Christian handeha hamonjy ny famaranana ny fivoriana ara-potoanan’ny Antenimieram-pirenena. Noteren'izy ireo hifanatrika taminy teo am-bavahadin’ny Antenimiera ny praiministra Ntsay Christian  ka nanambara fa : “Efa noraisiko ianareo sendikalista ka efa mazava amiko ny fitakianareo. Manafatra anareo mpitarika sendikaly kosa anefa aho, hoy izy, aoka tsy ho fitahina ny vahoaka fa efa nanaiky ny tenako fa izay azo vahana ihany aloha no ho tanterahina fa tsy ary ho voavaha avokoa akory ny olana rehetra”. Rehefa naharay ny tatitra avy amin'ireo députés TIM notarihan’ny depiote Rodin Rakotomanjato ireto sendikalista ireto taorian’izay  izy ireo ka nahalala fa solombavambahoaka 34 no nandany ny LFR dia nanapa-kevitra fa mitohy ny tolona sendikaly ka eny amin’ny 13 mey ny fotoana nifanomezana anio sabotsy 30 jona ary mbola hitohy ny alatsinainy 2 jolay izany. Nambara kosa anefa fa hisy fihaonana famahana olana amin’ny solontenan’ny praiminisitra eny amin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena amin’ny alatsinainy 2 jolay amin’ny 10 ora maraina. Raha tsy hita amin’io andro io ny vahaolana dia mety ho taona fotsy marina ny fampianarana eto amintsika amin’ity taona 2018 ity.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT