Actualités

Sempama nosy Vakinankaratra Manameloka ny fidiran’ny politika amin’ny fampianarana


  • Alatsinainy 09 Febroary 2015

“Mitady hiverina indray ny resaka politika manodidina ny fanendrena tompon’andraikitra eo anivon’ny fampianarana”, hoy ireo mpitarika ny SEMPAMA Nosy Vakinankaratra nandritra ny fihaonambe nataon’izy ireo tao amin’ny CRINFP Antsirabe ny sabotsy 07 febroary 2015 lasa teo.

Nambaran’izy ireo fa efa hita taratra sahady indray ny fitsabahan’ny antokon’ny fitondrana amin’ireo fanendrena lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana sasantsasany ao Antsirabe amin’izao fotoana. Nohamafisin’ireo mpitarika fa toherin’izy ireo tanteraka izany satria efa tsy nampandroso ny fanabeazana. Fantatra nandritra ny fihaonana fa hivoaka amin’ity herinadro ity ny fifanarahana arakasa eo amin’ireo mpampianatra 10.000 noraisin’ny fanjakana farany teo ary ny volana martsa io no hivoahan’ny lisitr’ireo mpampianatra Fram horaisina amin’ity taona 2015 ity. Takian’izy ireo koa ny fanafainganana ny fomba fiasa amin’ny fandoavana ny karaman’ny mpampianatra Fram fa efa fomba fiasa tranainy be no ampiasain’ny Dren sy ny Minisitera ka mahatonga ny fahataran’ny fandoavam-bola na dia efa ao amin’ny tahirim-bolam-panjakana aza izany amin’izao fotoana.

 

Caïus R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT