Actualités

Sekoly teto Antananarivo sy ny manodidina Maro no tsy nanaraka ny toromariky ny DREN Analamanga


  • Alakamisy 05 Martsa 2015

Nandefa fanambarana tamin’ny haino aman-jery samihafa ny Dren Analamanga fa andro tsy fianarana ho an’ny mpianatra eto amin’ny Faritra Analamanga ny alatsinainy 2 martsa teo nitohy ny talata 3 martsa ary dia nandidy ny sekoly

 

rehetra hanakatona ny trano fianarana koa ry zareo tamin’izany. Izany moa raha ny fantatra dia mba hitandrovana izay zava-doza mety hitranga any am-pianarana any ary indrindra ny eny an-dalana hamonjen’ireo mpianatra ny sekoliny, fa teo ny rano miakatra sy ny tany nihotsaka tetsy sy teroa. Raha ny zava-misy tazana teto an-drenivohitra anefa dia tsy voaaraky ny sekoly rehetra indrindra ireo sekoly tsy miankina sasantsasany ity fepetra navoakan’ny DREN Analamanga ity fa maro tamin’izy ireo no mbola nanokatra ny sekoliny toa tena nanambara fa sekoly tsy miankina tokoa izy ireo. Tsy mahagaga moa fa misy vola henjehan’izy ireo handoavana ny karaman’ny mpampianatra ka marisarisa ireo ray aman-dreny handoa izany raha vao miato amin’ny fianarana ny ankizy. Teo koa ny nanilika fa hoe mpianatra ao amin’ny kilasy manomana fanadinam-panjakana ireo nampianarina ireo. Ny maro moa dia efa tonga tany am-pianarana vao naheno fa tsy mianatra tamin’io andro io satria tara be ny fanapahankevitra navoakan’ity DREN ity.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT