Hamondrona ny heriny hahatonga azy ho sekoly lehibe indrindra eto Madagasikara ny INSPNMAD.
Nisy ny hetsika notanterahin’izy ireo tetsy amin’ny foiben-toerany etsy Manakambahiny omaly tao anatin’ny lohahevitra hoe : “Firaisankina sy ny fitambarana” hahafahana manatratra ny tanjona. Fotoam-pivavahana no nanokafana ny fotoana, notarihin’ny filoha mpanorina azy Razanadrakoto Rolland Albert. Nitohy tamin’ny varavarana misokatra nentina nampahafantarana ny sekoly tsirairay avy manerana ny Nosy izany izay tsiahivina fa efa miisa 20 amin’izao fotoana izao. Tsy latsa-danja tamin’izany ny fanomezan-danja ny kolontsaina tamin’ny alalan’ny zumba nandraisan’ireo mpampianatra sy mpianatra anjara, nofaranana tamin’ny rindran-kira goavana notanterahin’ny Groupe de louange Fahazavana eo anivon’ity sekoly ambony tsy miankina ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.