Actualités

Sekoly ambony ASJA Nampihaona ireo mpianatra tranainy tao aminy


  • Talata 06 Mey 2014

Nanokana telo andro, ny 1,2,3 mey lasa teo, ny sekoly ambony ASJA nanamarihana ny 01 mey, fetin’ny asa.

 Ankoatra ny varavarana misokatra fanao isan-taona nanehoan’ireo mpianatra ny voka-pikarohana nataony dia nisy ny fampihaonana ireo mpianatra Injeniera efa nivoaka tao aminy. Ny tanjona, hoy ny Mopera Rasoamahafaly Jean Pierre, ny hisian’ny fifanakalozana eo amin’ireo mpianatra mbola am-periny sy ireo efa eny amin’ny sehatry ny asa. Tao anatin’ny 13 taona nijoroany moa dia efa manodidina ny 800 ireo Injeniera efa navoakan’ity sekoly ity, maro amin’izany no efa mitana sehatra ambony sy mbola manatevim-pahalalana any ivelany. Marihina fa efa misy rantsan’ity sekoly ambony ity any Antsohihy ka ny sampam-pianarana lalàna sy ny Agro no efa misokatra any.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT