Actualités

Sehatry ny fizahantany Mbola betsaka ireo olana tsy maintsy harenina


  • Alakamisy 21 Jona 2018

Mbola betsaka ireo olana eo amin’ny sehatry ny fizahantany tsy maintsy arenina eto Madagasikara. Anisan’ny tena nampitaraina ireo Malagasy monina any ivelany sy ireo vahiny tonga tetsy amin’ny Carlton Anosy,

 

omaly ny halafon’ny saran-dalana mankaty Madagasikara, ny tsy fandriampahalemana, ny hofan’ny trano fandraisam-bahiny, izay ataon’ireo tompon’andraikitra amin’ny vola Euros, raha tokony ho Ariary. Maika ny fanarenana, miampy ny fampitomboana isa ny fotodrafitrasa, hoy i Tiana Rasamimanana avy amin’ny vondrona SIPROMAD,  anisan’ny mpisehatra eo amin’ny fizahantany ihany koa. Ny fizahantany no anisan’ny sehatra hampidi-bola vahiny betsaka indrindra ho antsika eto Madagasikara. Maika ny fampirisihina ireo mpandraharaha handoa hetra. Nomarihiny manokana ihany koa fa tokony hohatsaraina ny lalana eto Madagasikara, raha tiana handroso ny sehatry ny fizahantany. Mila imasoana ihany koa ny fampidirana jiro, mba hahafahan’ireo teratany vahiny mandeha amin’ireo faritra misy biby sy zavaboary mampiavaka antsika eto Madagasikara, nefa tsy tongan’ny herinaratra.

 

Patty

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT