Actualités

Sehatra tsy miankina Nahazo 8 tapitrisa euros avy amin’ny Vondrona eoropeanina


  • Alakamisy 19 Febroary 2015

Tsimialonjafy fa misokatra ho an’ireo karazana orinasa sy mpandraharaha ara-dalŕna rehetra ny fandaharanasa ny programa «Procom» avy amin’ny vaomiera eoropeanina hanohanana ny sehatra tsy miankina Malagasy amin’ny alalan’ny Federasionan’ireo Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria miisa 24

 

hita manerana an’i Madagasikara izay natomboka tamin’ny fomba ofisialy teny Antaninarenina omaly. Homen-danja sy sehatra ireo mpampiasa vola sokajiana ho marefo sy sahirana ara-pitaovana, hoy ny minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana Rabesaha Henri. Nampirisika manokana ihany koa ireo mpandraharaha eo amin’ny tontolon’ny fanondranana entana mba hampitombo vokatra bebe kokoa ny tenany. Mitondra ny anjara birikiny hanampiana ny sehatra tsy miankina Malagasy amin’ny fanatsarana ny lafiny fifaninanana miaraka amin’ny fanokafam-barotra eo anivon’ny faritra sy iraisam-pirenena ity fandaharanasa vatsian’ny Vondrona eoropeanina vola mitentina 8 tapitrisa euros mandritra ny 5 taona ity, hoy kosa ny lehiben’ny masoivohony eto Madagasikara Antonio Sanchez-Benedito Gaspar. Karazana programa tolo-tanana ho fampiaingana ny toekarena amin’ny famoronana asa sy ho fampihenana ny fahantrana eto Madagasikara.

Ramano F.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT