Tsy mifaditrovana ny malaso any amin’iny faritra Atsimo Andrefana iny. Sefo fokontany iray novonoin’ny dahalo tamin’ny fomba feno habibiana ny alin’ny talata teo.
Raha ny vaovao voaray, notafihin’ny dahalo nirongo basy ny Fokontanin’Ankaray, Distrikan’i Toliara II. Ombin-tsarety 14 no lasa tamin’izany. Niantso ny zanany lahy ity sefo fokontany ity raha vao nandre ireo mpangalatra omby namaha ny valan’ombiny. Nivoaka hiaro ny fananany izy, saingy tifitra variraraka no niandry azy, ka maty tsy tra-drano. Nitsoaka nanavotr’aina kosa ireo dahalo izay nisy naratra, rehefa nanohitra ny zanaky ny maty nampian’ny Fokonolona teo an-tanàna.
Zamà, sahy manohitra malaso
Manoloana ny firongatry ny asan-dahalo any amin’ny Distrikan’i Toliara II iny, vahaolana hitan’ny mponina ary mahomby nampihena ny asan-dahalo ny famoriana ny omby amina toerana iray mihidy rojo vy. Eo ihany koa ny fanakaramana Zamà (tanora matanjaka mirongo fiadiana) miambina ny tanàna amin’ny alina izay karamain’ny Fokonolona. Nanomboka nisian’ny Zamà izay andian-jatovo sahy miady amin’ny malaso, dia tsy sahin’ny olon-dratsy idirana intsony ny tanàna any amin’ny tapany avaratr’i Toliara iny, izay misy an’ireto Zamà ireto, raha ny fampitam-baovao azo avy any an-toerana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.