Actualités

SECES Tana Raikitra indray ny fitokonana


  • Alarobia 21 Mey 2014

Raikitra indray ny fitokonana fanairana hataon’ny Mpampianatra mpikaroka hanerena ny fanjakana hanome ny fitakiana.

 Nanatanteraka fivoriambe momba izay ny SECES Antananarivo tamin’ny herinandro. Tsy hiasa izy ireo ny 22 sy 23 mey izao fa hanatanteraka hetsika eo amin’ny Esplanade Ankatso hanakanana ny filazany fa famonoana ny Oniversitem-panjakana. Ny afisy miparitaka eny amin’ny Faritry ny Oniversite dia milaza fa “Marary ny Oniversitem-panjakana”. Tsy miova moa ny fitakiana fa ireo efa tinapaka tamin’ny kongresy nasionaly tamin’ny tapaky ny volana martsa. Tsy azo ekena intsony ny fanemorana lava ny fanomezana ny ora ambony ampanga sy ny tsy firaharahaina ny fampianarana ambaratonga ambony, hoy ny profesora Ralalaoherivony Baholisoa, filohan’ny SECES Tana. Nambarany fa tsy afaka manatanteraka ny rafitra LMD ny oniversite noho ny tsy fisian’ny enti-manana enti-mametraka azy. Marihina fa tsy nitaraina na naka ny hevitry ny Minisiteran’ny fampianarana ambony ny SECES Tana amin’izao hetsika ataony izao satria angady tsy mahatapaka ahitra ity farany, hoy izy ireo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT