Actualités

SECES Dinihana amin’ny kongresy ny fitohizan’ny fampianarana


  • Zoma 21 Janoary 2011

Nanatanteraka fivoriambe ireo mpampianatra mpikaroka miasa eny amin’ny oniversiten’Antananarivo omaly.

Tamin’io fotoana io no nanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny biraon’ny SECES sampana Antananarivo vaovao, tarihin’ny filohany, Raharimalala Fidèle. Nodinihana koa ny momba ny fitakian’ny mpampianatra mpikaroka nahatonga fitokonana lavareny izay efa nahitana marimaritra iraisana tamin’ny fifampidinihana tamin’ny ministra Tongavelo Athanase. Efa tafatsangana moa ny komity mpanara-maso ireo fehin-kevitra tapaka izay hanomboka ny asany amin’ny fanombohan’io herinandro vaovao io.

Nambaran-dramatoa Raharimalala Fidèle kosa fa ny kongresy izay tontosaina ny 26 ka hatramin’ny 28 janoary no hanapaka ny fitohizan’ny fampianarana. “Ny kongresy no rafitra manapaka momba ny fampianarana. Mety mbola hihemotra noho izany ireny fandaharam-potoan’ny fanadinana efa mipetaka amin’ny departemanta ireny. Asan’ny mpiasa birao mantsy ny mandrafitra ny fandaharam-potoana fa ny mpampianatra no tompon’ny teny farany” raha ny fanazavany hatrany. Fa ankoatra ny resaka tambin-karama dia zava-dehibe iarahan’ny mpivory mandritra ny hateloan’ny kongresy ny fiarovana ny fampianarana ambony malagasy. Raha ny hevitry ny filohan’ny SECES Antananarivo dia tsy misy lojika ny fitohizan’ny fampianarana fanabeazana fototra sy ny sehatra ambaratonga ambony ka ilaina fanavaozana tanteraka.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT