Actualités

Seces Antananarivo Mitohy ny fitokonana


  • Talata 04 Janoary 2011

Mitohy hatrany ny fitokonan’ny Seces sampana Antananarivo. Tsy hiverina ny asa fampianarana sy ny fikarohana sahanin’ireo mpampianatra mpikaroka mandram-pahita fifanarahana azo ekena, araka ny hevitra tapaka nandritra ny fivoriambe voalohany notontosain’izy ireo omaly teny Ankatso.

Naverina nakatona indray ihany koa ankoatra izay ny vavahady fidirana ny faritry ny oniversite. Isany nodinihin’izy ireo tamin’ny fivoriambe koa ny fanapahan-kevitra ho raisina manoloana ny fandrahonana fanasaziana nataon’ny ministra Tongavelo Athanase ho an’ireo mpampianatra mbola tsy mandray ny asany amin’ity volana janoary ity. Nambaran-dRasoamiaramanana, filohan’ny “Direction Collégiale Seces” fa manana ny sata mifehy azy ny mpampianatra mpikaroka ka io sata io no mamaritra ny fahafahana mitokona sy ny sazy. “Misy ny an-tanatohatra isan-tsokajiny arahina raha hanasazy ny Fanjakana ka azy ny azy raha tsy hanaja ny lalàna izy”. Nisy ihany koa moa ny valin-kafatra natao endrika trakta naelin’ny Seces eny anivon’ny oniversite mahakasika io fanambaran’ny ministry ny fampianarana ambony io ihany izay milaza fa “tsy tan-dalàna intsony ingahy ministra ka vonona hanitsakitsaka ny fahafahana mitokona araka ny andininy faha-8 amin’ny lalàna 2003-008 tamin’ny 05 septambra 2003 mifehy ny mpampianatra mpikaroka”. Voalaza amin’io trakta io koa fa sady voahosihosy ny “Franchise Universitaire” no voahitsakitsaka ny demokrasia sy ny zo mahaolona.

Rafitra
Hanavao ireo rafitra ny Seces amin’ny alalan’ny fifidianana ny biraon’ny Seces eto Iarivo ny 17 janoary izao sy ny birao nasionaly mandritra ny kaongresy izay hotontosaina eto an-drenivohitra ihany ny 26 ka hatramin’ny 28 janoary izao. Samy afaka miatrika io kaongresy io avokoa rehefa mpampianatra mpikambana Seces rehetra ka amin’io ihany koa no hamantarana izay ho tohin’ny tolona.
 
Yves
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT