Actualités

SECES Antananarivo Hangina hatramin’ny 2 janoary 2011


  • Alakamisy 23 Desambra 2010

Noho ny fetin’ny Krismasy sy ny Faran’ny Taona dia nanapa-kevitra ny fivoriamben’ny SECES-Antananarivo tamin’ny alatsinainy 20 desambra 2010, fa hanao «trčve», na hangina manomboka ny 20 desambra 2010 hatramin’ny 2 janoary 2011.

Ary raha tsy misy fivoaran’ny toe-draharaha momba ny fitakiana sy ny fifampiraharahana amin’ny mpitondra mahefa dia mbola mitoetra ny fanapahan-kevitry ny Filankevitra nasionaly anankiroa : mihantona ny fampianarana sy fikarohana rehetra eran’ny Oniversite enina manerana ny Nosy ka dia hikatona indray ny vavahadin’ny Oniversiten’Antananarivo ny alatsinainy 3 janoary 2011 amin’ny 9ora maraina.

Fa nokianin’ny SECES ny fanakaramana olona nanala ny sorabaventin’izy ireo teo amin’ny vavahadin’Ankatso. «Toetra tsy mendrika, fanitsakitsahana tsotra izao ny zon’ny Mpampianatra-Mpikaroka», hoy ny fanambaran’izy ireo, «koa tsy ekena izany na avy aiza na avy aiza ary melohina marindrano na iza na iza nampanao sy nanao azy». Nanamafy koa ny SECES fa ny Filohan’ny «Direction Collégiale», Rasoamiaramanana Armand sy Raharimalala Fidèle ihany no mpitondra teniny. Ny fifampiraharahana rehetra dia ny Filohan’ny «Direction Collégiale» no mitarika ny delegasiona.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT