Actualités

SECES Antananarivo Handefa taratasy any amin’ny HCC


  • Talata 19 Jona 2018

Tapaka nandritra ny fivoriambe manokan-dry zareo avy eo anivon’ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka eto Antananarivo na ny Seces Tana teny Ankatso omaly fa hitory eny amin'ny filankevi-panjakana izy ireo noho ny tsy fahatanterahan'ireo fangatahana notakiany nandritra ny taona maro.

Handefa taratasy fangataham-panazavana any amin'ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana izy ireo mikasika ny didy navoakan’ity rafitra ity izay tsy mbola tanteraka amin'izao governemanta vaovao izao. Milaza koa ny SECES Antananarivo fa tsy azo irotorotoana ny fifidianana filoham-pirenena. Mangataka ry zareo ny hametrahana ny rafitra sy ny lalàna mifanaraka amin’izany. Manamafy ny Seces sampana Antananarivo fa tokony hotanterahina ny fikaonan-doha nasionaly hananganana ny rafitra mifanaraka amin'ny fifampitondrana eto Madagasikara izay miainga eny amin'ny fokontany. Hisy moa ny hetsika lehibe ny 28 jona izao miaraka amin'ny mpianatra sy ny randrambao sendikalin’ireo mpiasa manerana ny nosy na ny SSM eny amin'ny anjerimanontolo ho fanamafisana ireo fangatahana ireo, raha ny fanazavana hatrany.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT