Sesilany ny lozam-pifamoivoizana tao Antsirabe ny faran’ny herinandro lasa teo ka saika namoizana aina avokoa izany.
Ny alin’ny zoma 25 aprily tokony ho tamin’ny 12 ora alina dia scooter roa no nifandona teo anoloan’ny Banky BNI. Samy nadeha mafy ireto Moto kely ireto ary voalazan’ireo mpitari-posy nanatrika ny loza fa samy tsy nisy jiro. Niakarapoka mafy ny iray tamin’ilay nanao taingin-droa, izay tsy nanao aroloha, ka naratra mafy ary maty nony tonga teny amin’ny Hopitaly Atsimo. Mbola tsaboina ary nalefa aty Antananarivo kosa ny nitondra ilay scooter faharoa. Ny sabotsy tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro indray dia nanondrana ny Bus ka namono olona iray hafa koa. Voalazan’ireo nanatrika fa nisy fahasimbana ny familian’ilay fiara ka nifatratra tany an-tokotanin’olona. Lehilahy iray avy niantsena no voafaokany famin’izany ary maty ihany koa noho ny dona nahazo azy rehefa tonga tany amin’ny Hopitaly Atsimo. Nanamarika ny mpitandro filaminana amin’ny tokony hampiasan’ny mpitondra moto hatrany ny aroloha.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.