Actualités

Samy mpiasam-panjakana Be ireo mitaraina ho tsy mahazo karama


  • Alakamisy 30 Desambra 2010


Manao ranolava hatramin’ny fiandohan’ity herinandro ity ny fitarainana ny tsy mbola naharaisana karama re tao amin’ny RNM, na tamin’ny fandaharana Ampitapitao na amin’ny fotoanan’ny fampahalalam-baovao. Mpiasam-panjakana any amin’ny distrika any no tena velon-taraina, ary saika mpiasa miankina amin’ny ministeran’ny atitany, ministeran’ny serasera ary ny ministeran’ny fiompiana ireto mitaraina ho tsy mbola nandray valin-kasasarany volana novambra ireto. Tratr’izany ny tany Manja (Menabe) ary nilaza ho tsy mba afaka nanao krismasy toy ny hafa.

Tsy fisiam-bola tao amin’ny “Perception” no olana tany. Nanampy trotraka indray ny fahasimban’ny fiaran’ny Distrika tokony hakana volana any Morondava. Omaly dia mitaraina mafy koa ny mpiasam-panjakana any Ampanihy Andrefana. Mbola resaka karama tsy voaray ihany koa ny azy ireo. Manginy fotsiny ny an’ireo mpampianatra FRAM, izay misy efa-bolana ny an’ny sasany tsy mbola eny an-tanana. Mipetraka ihany ny fanotaniana eo anatrehan’ny toe-javatra toy izany hoe, resaka fomba fiasa, sa fanadinoana, sa misy manodina ny volan’izy ireny ? 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT