Vao mainka mihenjan-droa ny tady eo amin’ny mpiasan’ny sampandraharahan’ny hetra Toamasina sy ny tale provinsialiny ankehitriny.
Ny antony dia noho ny baiko azon’ity farany hanery ireo mpiasa handray ny asany, ka ireo tsy manaraka izany dia hisy ny taratasy fangataham-panazavana (demande d’explication) omena azy ireo, izay ny tale mihitsy no miandry ny varavaran’ny sampandraharahan’ny hetra ao Ampasimazava mizara izany ho an’ireo tsy manaiky ny hiasa. Noho ity tranga ambaran’ireto mpiasa ho antsojay ataon’ny talen’ny sampandraharaha ny hetra Toamasina ity, dia tonga teto Toamasina mihitsy ny mpitarika ny sendikan’ny mpiasa nijery akaiky ny mahazo ireo namany. Nisy noho izany ny fihaonana teo amin’ireo solontenan’ny mpiasa sy ny sendika tamin’ny tale provinsialin’ny hetra Toamasina izay naharitra adin’ny roa ny fifandresen-dahatra. Tsy nisy hevitra tapaka anefa nandritra izany satria samy mitazona ny heviny ny an-daniny sy ny an-kilany, koa mbola mitohy ny fitokonana sy tsy fandraisana ireo mpanjifa ary ny tsy fampidiran-ketra. Ny mpiasa sy ny sendika milaza fa mila manaja lalàna velona momba ny sampandraharaha ny hetra aloha ny minisitera sy ny fanjakana vao milamina ny raharaha. Ny an-kilany kosa milaza fa manao kenda roroka ny fiainam-pirenena ny mpiasa ka tsy azo ekena, hisy rahateo ny ho fandalovan’ny iraka manokan’ny vondrona eoropeanina eto Toamasina hijery ny fampidiran-ketra malagasy ka manahy mafy ny tale sy ny minisitra amin’ny vokatra. Omaly dia mbola nikatona ny sampandraharaha ny hetra Toamasina, ary hitohy hatrany mandra-pivahan’ireo fangatahana amin’ny fampanajana ny lalàna takian’ny mpiasa.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.