Actualités

Sampana fikarohana ny marina polisim-pirenena Niampy 39 ireo manamboninahitra momba izany


  • Talata 10 Febroary 2015

Manamboninahitra miisa 39 avy eo anivon’ny polisim-pirenena no nivoaka tamin’ny fomba ofisialy tetsy Anosy ny faran’ny herinandro lasa teo. Andiany indray mihira Safidy ireto navoaka ireto ka nahitana kaomisera miisa 17 sy manamboninahitra polisy 22 lahy sy vavy. Ny filohan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany eto Antananarivo, Rtoa Rasoarinosy Vololomalala sy ny tonian’ny Mpampanoa lalàna eto amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Antananarivo,


Atoa Ravelojaonina Louis De Gonzague no nitarika ny fotoana tamin’izany. Tonga nanotrona ny fotoana ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka, ny Controleur Général de Police Razafimanantsoa Aimé Tantely sy ireo tale rehetra ao amin’ny Minisitera. Voalazan’ireo nandray fitenenana fa zava-dehibe ny asa ataon’ireo manamboninahitra ireo ka sarobidy no mila fitandremana. Tetsy an-kilany, raha nandray fitenenana ny solontenan’ireo mpianatra manamboninahitra dia nilaza fa miha sarotra ny fikarohana ny fandikan-dàlana ka mila finiavana, fikirizana ary Fahazotoana izany. Am-perinasa avy hatrany moa ireto vao nahavita fianianana ireto.

 

Nangonin’i Tojo


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT