Actualités

Sampana Fanabeazana Tily sy Mpanazava Nanokafana tsangambato ho amin’ny faha-20 taona


  • Talata 13 Mey 2014


 Ny alahady lasa teo no notokanana tetsy amin’ny fiangonana METM Zarefata Sabotsy Namehana ny tsangambato manamarika ny faha-20 taona nisian’ny Sampana Fanabeazana Tily sy Mpanazava (SFTIMPA) eo anivon’ny fiangonana METM rehetra manerana an’i Madagasikara. Fotoam-pivavahana lehibe no nentina nankalazana izany ka ny pasitera Ranaivo Rabevary, filohan’ny METM no nitory teny ary ny pasitera Ranaivoharisoa Nivoriana, filohan’ny SFTIMPA kosa no nitarika ny fivavahana. Nandritra io fotoana io no nanolorana loka ireo beazina mendrika, nampahafantarana ireo filoha sy mpanabe anisan’ny nanangana ny fikambanana tany amin’ny taona 1994 tany izay notarihin-dRtoa Rafarasoa Isabelle na Sikidindrano Mpanentana, ny filoha Lambo, Hisatra, Pasitera Haja…Mitohy ho any amin’ny ezaka ahatrarana ny 20 taona manaraka indray izany izao ny ao amin’ny SFTIMPA manomboka eto.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT