Actualités

SAMIFIN feno 10 taona Mbola maro ny asa miandry


  • Alakamisy 19 Jolay 2018

Omaly alarobia 18 jolay no nomarihina tetsy amin’ny Golden’s Building SEIMAD 67ha ny fankalazana ny faha-10 taona niorenan’ny Sampandraharaha Malagasy Iadiana amin’ny famotsiam-bola sy famatsiam-bolan’ny fampihorohoroana (SAMIFIN).

 

Nisy ny tatitry ny asa vita nandritra iny taona 2017 iny izay niompana bebe kokoa tamin’ny fametrahana stratejia manokana tamin’ny ezaka natao. Anisan’izany ny fampiharana ny lalàna, ny fiaraha-miasa amin’ireo sampandraharaha maro mba ahazoana ny vaovao na fanampim-baovao marim-pototra ny amin’izay mety ho fisian’ny endrika famotsiam-bola. Ankoatra ireo atrikasa maro tamin’ny fampahafantarana ny manodidina ny ady amin’ny famotsiam-bola sy ny famatsiam-bola amin’ny fampihorohoroana efa vita dia misy ny tanjona mbola hanamafisana hatrany ny amin’ny ady amin’ny kolikoly. Izany rehetra izany dia mibanjina hatrany ny fepetra napetraky ny tahirim-bola iraisam-pirenena ny amin’ny fampandaniana ireo lalàna 2 eo anivon’ny antenimieram-pirenena momba ny famerenana ireo fananana azo tamin’ny tsy ara-dalàna (avoirs illicites) sy ny ady amin’ny famotsiam-bola. Nitombo hatrany tanatin’ny 5 taona, indrindra tamin’ny nisian’ny krizy politika, ny fanambaran’ahiahy voaray ny amin’ny fisian’ny famotsiam-bola eto Madagasikara. Vokany, nahatafiditra 8 miliara ariary ny sampandraharahan’ny hetra  noho ny ezaky ny SAMIFIN. Tsy hionona amin’izay anefa izy ireo fa tena hanao ezaka hatrany mba hampihena ny vola maloto mivezivezy eto amin’ny firenena izay zary lasa any am-paosin’olom-bitsy.

Tsiry


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT