Voaporofo izao fa tsy sambo mpanjono sy sambo saika ho any amin’ny nosy Maurice nandositra rivodoza na nafefiky ny ranomasina ratsy izany ilay sambo sinoa “Min Tai Leng” tratra tao Mangabe Maroantsetra ary nentina eo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina nanaovana fanadihadiana
. Tena nikasa haka andramena ity sambo sambany vao tratran’ny mpitandro filaminana Malagasy sy fitondram-panjakana Malagasy ity. Ireo fitaovana ao anatiny rehetra dia tsy misy valaka tamin’ilay sary navoakan’ny gazety “Le Monde” farany teo. Tsy nisalasala ny fitsarana ny alakamisy sy ny zoma teo niakaran’ny raharaha teo anivon’ny fampanoavana sy mpitsara zokiolona mpanao famotorana, dia 04 izay tompon’andraikitry ny sambo sy komanda ary mpiandraikitra ny mpiasa nampidirina fonja vonjimaika ao ambalatavoahangy avy hatrany, ireo mpiasa 14 kosa miandry ny fitsarana ao anaty sambo izay araha-maso tanteraka kosa. Fikasana hanao trafikana andramena hazo voarara eto amintsika sy fidirana an-tsokosoko ny sisin-tany Malagasy tsy ahazoana alalana ary fanaovana hosoka sy fampiasana hosoka amin’ny taratasin-tsambo nampiasain’izy ireo, no vesatra hanenjehan’ny fitsarana sy ny fanjakana ireto sinoa 04 am-ponja sy 14 miandry fitsarana anaty sambo ireto.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.