Noho ny fandalovan’ny sambo “Castilla” an’ny tafika an-dranomasin’i Espana dia nidina any an-toerana ny delegasiona iray notarihin’ny praiminisitra, Ntsay Christian omaly zoma 14 septambra.
Mandray anjara amin’ny hetsika ara-miaramila antsoina hoe “Attalente”, eo ambanin’ny fiahian’ny vondrona Eoropeanina, hiadiana amin’ny asan-jiolahy an-dranomasina sy amin’ny jono tsy ara-dalàna eto anivon’ny ranomasimbe Indianina ity sambo ity. Zava-dehibe ho an’ny fampandrosoana ny sehatry ny toekarena, indrindra fa ny fametrahana ny “toekarena manga”, hoy ny Lehiben’ny governemanta. Noho izany dia ilaina ny mametraka paikadim-pirenena maharitra hiarovana ny sisin-dranomasina ary efa ezaka iray hirosoana amin’ny fahaleovantenan’i Madagasikara amin’izany ny nametrahana ny foibe fanangonam-baovao mahakasika ny eny an-dranomasina na ny CFIM. Nitsidika ny tobin’ny tafika an-dranomasina tao Antsiranana ihany koa ny praiminisitra ary nojereny manokana ny sambo mpitsirika “Trozona”. Ankoatra izay dia tonga nanara-maso ny fandrosoan’ny asa fanamboarana ampahan-dalana mampitohy an’Ambilobe sy Antsiranana ny delegasiona.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.