Actualités

Salon de l'Entrepreunariat et de l'Emploi Tratra sahady ny tanjona ho an’ny andiany faharoa


  • Sabotsy 10 Mey 2014

Tratra sahady ny tanjona tamin'ilay Salon de l'Entrepreunariat et de l'Emploi andiany faharoa tanterahina etsy amin'ny Lapan'ny tanŕna Analakely.

 Mihoatra ny 10.000 isa sahady mantsy ireo mpitsidika tonga nandray anjara tamin'izany, omaly. Anisan'ny maro an'isa indrindra ireo tanora nahavita fianarana nefa tsy mahita asa ankoatra ireo efa miasa saingy tsy maintsy mitady fianarana na fiofanana fanampiny hahafahany manatevina ny fahalalana efa ananany. Tsy vitsy tamin'ireo trano eva vokatr'izany no niasa mafy, indrindra fa ireo nandray ny antontantaratasin'ireo mitady asa. Manodidina ny 25.000 isa moa ireo mpitsidika andrasana hatramin'ny anio sabotsy 10 Mey, andro hifaranan'ny hetsika raha tsiahivina ihany. Tranoheva 50 isa kosa no mandray anjara ka anisan'ireny ny an'ny vondrona Vidy Varotra ahitana ny gazety Job mivoaka isaky ny andro alatsinainy, mandray ireo tolotr’asa na fitadiavana asa ary dokambarotra samihafa. Eo koa ny gazety Tia tanindrazana izay mpanohana akaiky ny hetsika. Misy ny fandraisana ireo tapakila lalao Tia Tanindrazana 5 taona sy ny hetahetan’ny mpamaky ihany koa.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT