Afaka rahampitso zoma 09 mey sy ny sabotsy 10 mey no hotanterahina etsy amin'ny Lapan'ny tanŕna Analakely ilay Salon de l'Entrepreunariat et de l'Emploi andiany faharoa, karakarain'ny orinasa Kentia sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.
Natao indrindra hanampiana ireo tanora tsy an'asa izy io, indrindra fa ireo efa nahavita fianarana. Raha araka ny tarehimarika navoakan'ny BIT mantsy dia ny 70 %-n'ireo tanora nahavita fianarana eto amintsika no tsy an'asa amin'izao fotoana izao. Ankoatra izay dia natao hampirisihina ny tanora hamorona asa ho an'ny tenany ihany koa ny Salon, iadiana amin’ny tsy fananana asa eto an-drenivohitra. Manodidina ny 25.000 isa ireo mpitsidika andrasana amin’izany, izany hoe avo roa heny amin’ny isan’ireo mpitsidika tamin’ny andiany voalohany. Tranoheva 50 isa no handray anjara raha araka ny fantatra ihany. Tsara ny manamarika fa hisy ny fanofanana ireo tanora momba ny fandrafetana taratasy fitadiavana asa… mandritra io roa andro io
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.