Actualités

“Salon de l’emploi et des jeunes” Ny fotoana sisa andrasan’ireo mpikarakara ao Toamasina


  • Alarobia 23 Aprily 2014

Efa vonona avokoa ireo enti-manana rehetra mikasika ilay hetsika ho an’ny asa sy ny tanora, karakarain’ny Talem-paritry ny tanora ao Toamasina izay hifanohanany amin’ny Faritra Atsinanana sy ny Kaominina ary ny Birao iraisam-pirenena momba ny asa.

 Ny fotoana sisa andrasana, hoy Atoa Rabarivelo Laurent, satria ny 29 sy ny 30 aprily izao eo amin’ny toerana malalaka manoloana ny Lapan’ny tanànan’i Toamasina no hanaovana ny hetsika. Tranoheva 56 no hampiranty ny vokatra momba ny asa sy fitadiavan’asa ary momba ny tontolon’ny tanora mandritra ny roa andro. Hisy koa ny adihevitra izay hiarahana amin’ny Tale jeneralin’ny BIT eto Madagasikara sy misahana ny Ranomasimbe indiana, izay ho avy ao Toamasina mihitsy, amin’ilay lohahevitra hoe «asa ho an’ny tanora miantoka ny fampandrosoana maharitra». Hisy koa fanofanana momba ny fahaiza-mitarika miaraka amin’ny Entreprendre Madagascar, ny famenoana CV sy fanaovana ny «lettre de motivation» ary ny fomba atao raha hiatrika «entretient d’embauche» hiarahana amin’ny Alliance Française sy birao momba ny asa atsinanana ihany koa.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT