Actualités

Sakoroka tao Toamasina 42 voasambotra, 02 naiditra hopitaly


  • Talata 18 Janoary 2011

Nihidy avokoa ny ankamaroan’ny mpivarotra tao Toamasina omaly, indrindra ireo mpivaro-bary sy ireo tranombarotra, noho ny tahotra sakoroka.

Vao maraina, tamin’ny 8ora dia efa feno andian’olona nitangorona ny sampanan-dalana tao Morarano, Androranga, Ambolomadinika, Mangarivotra ary nanodidina ny bazary kely sy bazary be. Nanomboka ny siotsiokan’izy ireo sy ny fitsofana kiririoka avy eo, ny tanjona dia ny hilahatra sy hitokona. Efa nandeha koa anefa ny resaka fa misy mikasa handroba mihitsy, tahaka ny tamin’ny 14 oktobra 2010. Tsy niandry ela fa noravan’ny Emmo-Reg ireo andian’olona ireo. Fiara 4x4 roa, an’ny polisy sy zandary, no nanenjika azy ireo hatrany anaty lalam-pasika. Tsy nisy ny fanapoahana grenady mandatsa-dranomaso na tifi-danitra, fa fanenjehana no nandravana ny fitangoronana io omaly io.

Tao anatin’izay rehetra izay, ny tao Morarano, Androranga, Ambolomadinika ary Mangarivotra no tena nafana, dia raikitra ny fandorana kodiarana teo afovoan’ny arabe tahaka ny tao Androranga-Tanamborozano. Teo koa ny fandravana sy fandorana ireo trano kely amoron-dalana nitranga tao Morarano sy Mangarivotra ary ny fanimbana ilay «garde fou» amin’ny sampanan-dalana teo Bazary kely Morarano. Nandritra ny fifanenjehana dia fantatra fa olona 42 no voasambotry ny Emmo-Reg, izay anaovana fanadihadiana eny anivon’ny BC-n’ny zandary.

Nisy olona 05 voadaroky ny zandary, ny 03 mpandalo ka mpianatra avy nirava nianatra ny iray, ny 02 kosa voadaroka ka naratra mafy izay ny lohany no tena voa mafy, ka voatery naiditra hopitaly ity voa mafy ity izay voalaza fa anisan’ireo nandrava fananan’olona. Ankoatra izay, hatramin’ny omaly hariva, tsy mbola milamina ny tanàna. Hita hatrany ny andin’olona mitangorona etsy sy eroa amin’ireo faritra mafana, tsy miala ihany koa ny Emmo-Reg fa efa nahazo baiko henjana mandamina ny raharaha. Tao anatin’izay rehetra izay, nanaraka ny fivoaran’ny vaovao tany an-tranony tao Mangarivotra ny PDS Rakotovao Mariot. Ny sekretera jeneralin’ny faritra Atsinanana no hita nidina an-toerana tao Morarano nijery ifotony ny fivoaran’ny raharaha sy ny tena zava-misy marina.

ENCADRE
Nandritra ny hetsiky ny Emmo-Reg, niharan’ny fandraofana fitaovam-piasana, camera, teny aminy ny mpanao gazety iray naka sary, ankoatra ny rahom-bava. Nilamina ihany ny raharaha raha vao tonga ny lehiben’ireto zandary. Zandary mbola zazavao sy vahiny ao Toamasina I ny ankamaroany.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT