Nampalahelo ny zava-niseho tany amin’ny Kaominina Amboavory Distrikan’Amparafaravola ny alin’ny talata hifoha ny omaly alarobia. Notafihin’ny andian-jiolahy 10 lahy ny tanàna. Namaly ny Fokonolona. Raikitra ny sakoroka ka lavo tamin’izany ny iray tamin’ireo Fokonolona. Tezitra ny mponina ka nosamborin’izy ireo ny iray tamin’ireo dahalo dia nodorany velona avy eo, nisy roa hafa ihany koa matin’izy ireo ary nisy telo hafa azo sambobelona.
Fantatra, araka ny fanadihadiana natao, fa efa nampandre mialoha izao fanafihany ny tanàna ao Amboavory izao ny dahalo ka dia niomana ny mponina tao an-toerana. Rehefa tena tonga ireo jiolahy vao niantso mpitandro ny filaminana ny Fokonolona. Mitazona ody ratsy ireo jiolahy ka na dia nodarohana aza izy ireo dia mbola tafaporitsaka ihany ny sasany ankoatra ilay azo sambobelona izay niharan’ny hatezeram-bahoaka. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana ankehitriny ny raharaha ka miandry ny tohin’ny fanadihadiana ny rehetra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.