Zava-doza ity nitranga teny Ambalavao-Atsimondrano ity. Ny alin’ny 31 desambra teo no voalaza fa nisy nahinana nandritra ny fanasana tamina tranon’olona iray notokanana ity filahiana ity.
Voalaza fa voatsako in-telo ilay izy saingy tsy nety potika ary latsaka in-telo tamin’ny tany mihitsy noho ny maha ozatra azy. Tonga saina ilay olona nahatsako ilay izy ka nivoaka mora nankany amin’ny toeram-pitsaboana nanatitra ilay filahiana mba hijery ilay izy. Voamarina tokoa teny an-toerana fa filahiana ilay izy ary mirefy 6 santimetatra ny halavany. Tamin’ny alatsinainy no nampahafantarina ilay olona tompon’ilay trano notokanana ity zava-nitranga ity. Gaga ilay raim-pianakaviana satria tsy nahalala ity tranga ity mihitsy izy. Nanamarika anefa izy fa raha nisy izany dia fanosoram-potaka sy hasomparana natao azy sy ny fianakaviany. Fantatra mantsy ilay olona nanatitra ilay filahiana efa masaka tany amin’ny toeram-pitsaboana. Io olona io araka ny voalazan’ilay raim-pianakaviana tompon’ilay trano ihany dia olona tsy isan’ireo nasaina tamin’ity fety ity kanefa nahagaga ny nahatongavany tao.
Tsy vitan’izay fa olona manana olana amin’ny tompon’ilay trano notokanana ihany koa io olona io. Nilaza ihany koa ny tompon’ilay trano fa mahagaga ihany raha tonga dia any amin’ny toeram-pitsaboana no naterina ilay izy ary nafenina no nanaterana azy tany. Manodidina ny 50 teo ireo olona voaasa tamin’ilay fitokanana trano ka ny mpampiasa ilay tompon’ny trano, ireo mpiara-miasa taminy ary fianakaviana vitsivitsy ireo olona nasaina ireo. Araka ny voalazan’ny olona iray isan’ireo nanatrika ity fanasana ity dia natsiro tokoa ny laokan’izy ireo tamin’izany ary tsy nisy nahamarika izany hoe misy henan’olona izany tamin’ireo sakafo. Eo am-panaovana ny famotorana ny zandary eny an-toerana amin’izao fotoana izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.