Actualités

Rotaract Club Nifoha tamin’ny torimasony ireo efa natory


  • Alatsinainy 28 Aprily 2014

Maro tamin’ireo fikambanana Rotaract sy Rotary teto amintsika no efa nangatsiaka tanteraka tamin’ny taona 2012-2013, araka ny fantatra.

 Noho ny tsy fahampian’ny fanentanana no nahatonga izany raha teo ihany koa ireo antony maro samihafa. Rehefa tonga teo amin’ny sehatry ny fitantanana anefa Ramanitra Jahaziela dia betsaka ireo nifoha tamin’ny torimasony. Anisan’izany ny fikambanana Rotary tao Comores sy ny tao Fianarantsoa. Tafatsangana ihany koa ny fikambanana Rotaract tao Antsirabe noho ny fifanomezan-tanan’ireo fikambanana efa nisy. Nitohy tamin’ny fanomezana fiofanana ireo mpikambana izany ka anisan’ireny ny resaka fahaiza-mitarika na ny leadership. Ny 23 sy ny 24 Aprily lasa teo no nanaovana izany teny amin’ny Live hotel Andavamamba, fotoana farany nanaovan-dRamanitra Jahaniela ezaka entina hanatsarana ny fikambanana misy azy. Nisy ny fanaovany tatitra ireo asa vitany nandritra ny herintaona ny sabotsy lasa teo. I Sheetal Soobron indray izay teratany Maorisianina no handimby ny toerany manomboka amin’ny volana jolay ho avy izao.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT