Anisan’ny tena mampidi-doza ny mpandeha fiara ny fitomboan’ny lavaka amin’ny lalana etsy sy eroa miseho lany n’aiza n’aiza ankehitriny, na ety an-tanŕn-dehibe na eny amin’ny lalam-pirenena na any ambanivohitra.
Mba asiana teny manokana ny zava-misy etsy amin’ny « Rond point » Ambohimangakely hifanenan’ny avy any amin’ny lalam-baovao By Pass sy ny avy amin’ny lalam-pirenena faha-2 (Toamasina sy Antananarivo). Efa ela ihany fa efa naharitra am-bolana no nisiana lavaka eo amin’ity toerana ity ary tsy lavaka kelikely fa tena lavaka lehibe mihitsy nefa dia tsy misy tompon’andraikitra miraharaha na dia tena mampidi-doza ireo fiara avy lavitra tsy mampiasa firy an’iny lalana iny. Lalam-pirenena migodana be izao ve hampoizina hisy lavaka be tampoka tahaka azy io ? Mino isika fa tena misy tompon’andraikitra tokony hisahana itony asa tsy tokony handrasana ela itony ny fanamboarana azy midina eny an-toerana isan’andro fa tsy ho eny ambony latabatra fotsiny no hiteronterona. Moa va tsy tahaka izany koa ny amin’ireo fahatsentsenana lakandrano mahatonga ny tondra-drano eto an-drenivohitra ?
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.