Actualités

RNM sy TVM Misy fandraisana mpiasam-panjakana tsy ara-dalŕna


  • Alakamisy 06 Janoary 2011

Vaky ambatolampy ny raharaha tokatranon’ny onjampeo sy fahitalavi-pirenena. Niteraka fimenomenomana sy disadisa tamin’ny samy mpiasa ny fandraisana mpiasam-panjakana izay toa tsy manaraka ny lalŕna.

In-droa miantoana no nisy ny fandraisana mpiasam-panjakana raikitra tao amin’ny ORTM tamin’iny taona 2010 nivalona iny. Raha ny fanazavana azo dia samy teknisiana manampahaizana momba ny informatika avokoa ireo valo mpahazo tombotsoa tamin’izany. Mpiasa vaovao daholo anefa izy ireo izay vao noraisina taorian’ny fahamaizan’ny TVM sy ny RNM ny 26 janoary 2009. Raha ny lalàna anefa dia mahavita enin-taona farafahakeliny vao mety ho voaray ho mpiasam-panjakana raikitra ny mpiasa iray. Etsy andaniny dia sady gaga no talanjona kanefa koa tezitra ireo “vacataire” sy ECD efa niasa an-taonany maro ao. Fandinganana tsotra izao azy ireo izany. Nitondra ny alahelon’ny mpiasa tamin’ny ministra Malazarivo Félix ny mpanao gazety sady talen’ny filazam-baovaon’ny TVM sy RNM, Jean Aimé Rambeloson, omaly. Nangatahany ny hampidirana ny mpanao gazety ao anatin’ny listr’ireo ho raisina ho mpiasam-panjakana manaraka. Nanome baiko ireo mpiara-miasa akaiky aminy hijery io toe-drahatraha io ny ministra. Nampanantena ny hangataka “poste budgétaire” ahafahana mandray mpiasam-panjakana raikitra vaovao hanoloana ireo nandeha nisotro ronono koa ity farany. Niteny koa i Malazarivo Félix fa hajanona aloha ny fandraisana “vacataire” mandram-pilamina ny momba ireo mpiasa ankehitriny.

 
Laharampahamehana ho azy ny fameranana amin’ny laoniny ny TVM sy ny RNM. Hahazo fitaovana fampitana sary sy feo vaovao, hoy hatrany izy ny onjampeo sy fahitalavi-pirenena afaka roa volana hahafahana manao fampitana fandaharana mivantana ankoatra ny satelita iray hanapariahana ny fandaharana manerana ny nosy any amin’ny tapatapaky ny taona any. Efa mandeha amin’ny Canalsat moa izao ny TVM ary afaka manaraka azy ny firenena rehetra aty amin’ny oseana indiana. Hiampita hatrany Eoropa sy maneran-tany izany amin’ny faramparan’ny taona vokatr’io fiaraha-miasa amin’ny Canalsat io ihany. Momba izany fanalana ny fitokona-monina ny faritra izay dia Kaominina maro any amin’ny Faritra Analanjirofo sy Menabe ary Boeny no nametrahana fahitalavitra miaraka amin’ny “antenne parabolique” tamin’ny taon-dasa. Maro koa ireo tranon’ny ORTM nohavaozina raha tsy hilaza afatsy ny any Morondava, Maintirano, Toliara ary Toamasina.
 
Yves

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT