Actualités

RNM sy TVM Aza tampenam-bava e !


  • Alarobia 26 Janoary 2011


Mitaraina ireo mpijery sy mpihaino ny haino amanjerim-panjakana (RNM sy TVM), indrindra ireo mpanaraka vaovao amin’izao fotoana isian’ny iraka vahiny avy amin’ny SADC, tarihin’ny Dr Leonardo Simao tonga eto an-toerana manao ny asa fanelanelanana izao.

Maniry handre mivantana izay ambaran’ireny iraka vahiny ireny ny mpijery sy mpihaino, saingy ombieny ombieny dia feon’ny mpanao gazety no re. «Mba mahazo teny frantsay ihany izahay, ka aleo horenesinay mivantana izay lazain’ireny vahiny ireny fa aza tampenam-bava ka taingenana feo hafa, izay tsy fantatra na dikan-teny tokoa na hevitra hafa no tiana hampitaina», hoy ity mpihaino iray nanao fanamarihana sady mitaraina ihany koa. Re fa ho avy koa ny iraka avy amin’ny Firenena Mikambana koa dia manantena izahay fa handre mivantana izay lazain’izy ireny, hoy ihany ity raiamandreny ity.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT