Actualités

RNM Antsirabe Tsy raharahain’ny fanjakana ?


  • Zoma 09 Mey 2014

Antso an’efitra tanteraka ny fitarainan’ny mponina Antsirabe amin’ny hijeren’ny fanjakana ny Onjam-peon’ny Radio Nasionaly Malagasy ao an-drenivohitr’i Vakinankaratra amin’izao fotoana. Efa am-bolana maro mantsy izay no tsy nandeha intsony ny tao Antsirabe.

 Tsindrian’ny onjam-peo Viva ity maridrefin’ny RNM ity ka tsy misy re mihitsy fa mifangaro voraka tanteraka izany ary tsy ahenoana inona mihitsy. Efa nisy ny fitarainana nataon’ny mpanara-baovao fony mbola teo ny Minisitra Rolly Mercia saingy tsy nisy valiny izany. Onjam-peo maromaro ao Antsirabe ankoatra ny an’ny RNM no hitsahin’ity radio iray ity. Raisin’ny mpanara-baovao ho tsy firaharahain’ny fanjakana an’Antsirabe mihitsy moa izany mba tsy hanarahan’ny maro ny vaovaom-pirenena angaha, satria tsy mba afaka ny nampitaha ny vaovao nitranga teny Tsimbazaza, ohatra, ny maro. Raha onjam-peo hafa no nanao toy izao mety efa nakatona na nalaina angamba ny fitaovany !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT