Hagagana sy hatairana ary hasosorana ny an’ny mpampiasa ny lalam-pirenena faha-5 ny alarobia teo fa nobahanan’ity “miaramila mamo nanao fanamiana” ny lalana tao Ambalamanasy – Ampilaolava, ka izay tsy nanaraka ny sitrapony dia nahita faisana taminy avokoa.
Ao no niharan’ny tora-bato fa tsy voa, tao no nobahanany tsotra izao nefa fiara mpanao zotra mianavatra an’i Toamasina, tao kosa ireo nosakanany ka nangatahany vola. Efa nanomboka nisy nidaroka izy no tonga ireo “motard” zandary avy nanao “Police de la Route” tany amin'ny lalam-pirenena faha-2 namonjy ity miaramila mamo ity ary nandamina ny fahaterezam-bahoaka. Soa fa tsy nisy basy teny an-tanan'ity miaramila mamo miantso polisy ity. Ho aiza ity tafika tandroka aron'ny vozona eto amintsika ity ? Sa ny fomban'ny any ambony no arahin'ny olom-pehezina rehetra? Ary hisy sazy ve sa dia hakafoka fotsiny dia mitohy indray ny ampitso ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.