Actualités

Rivodoza “Hellen” Efa mandeha ny fanampiana ireo traboina


  • Alarobia 16 Aprily 2014

Am-perinasa tanteraka ny ekipa misahana ny voina BNGRC sy ireo mpilatsaka an-tsitrapo avy amin’ny fikambanana vahiny maro samihafa ary koa ireo mpitantsoroka ara-teknika sy ara-bola.

 Ny ampitson’ny fandalovan’ny Rivodoza Hellen ihany dia efa tany amin’ny faritra avaratra andrefan’ny nosy ny ekipa voalohany hanampy ireo traboina. Nanome lelavola fito alina dolara amerikanina ny  UNOCHA hanaovana fitsirihana avy eny ambony fiaramanidina sy isaky ny sehatra ny fahavoazana. Misy fiaramanidina iray moa nampisahanina io asa eny ambony eny io. Noho ny vokatry ny asany dia olona dimy arivo eo ho eo izao no mahazo fanohanana ara-tsakafo raha efa mandeha koa ny fizarana fitaovana fanarenana ireo trano simba sy tanty fatoriana vonjimaika ary fanafody fandiovana rano.

Heverina ho iray alina eo ho eo ny isan’ny mpahazo tombontsoa amin’izany fampitaovana izany.  Misy ihany koa ny fametrahana ivontoerana fitehirizana fanampiana ao Mahajanga sy Soalala. Sambo kosa no hofaina hitaterana ireo fanampiana ireo miala ao Mahajanga ho any Soalala. Entina amin’ny sambo haingam-pandeha na amin’ny sarety kosa izy ireny mankany amin’ny toerana itondrana azy.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT