Actualités

Rivodoza Cheneso 1 maty, maherin’ny 2000 ireo traboina


  • Zoma 20 Janoary 2023

Tafiditra an-tanety omaly 19 janoary 2022 tamin’ny 11 ora latsaka fahefany tao Avaratr’Antalaha ilay rivodoza Chenese.

Tany amin’ny distrikan’i Befandriana avaratra no nisy ny foibeny omaly tamin’ny 3 ora tolakandro. Nihena ho 50 km/ora ny rivotra miaraka aminy arahina tafiotra manodidina ny 60 km/ora manakaiky ny foibeny. Nikisaka niakandrefana somary Atsimo Andrefana izy ka nahafaka 15 km/ora. Hihena hatrany ny tanjaky ny rivotra miaraka aminy mandritra izao fivoarany an-tanety izao ka tsy misy ahiana firy intsony. Noho izany niova ho toy izao ny filazana loza : fahamailoana miloko manga : Diana, Sava, Analanjirofo, Sofia, Alaotra Mangoro ary Atsinanana. Na izany aza anefa dia mbola hitoetra ny rotsakorana betsaka (50 ka hatramin’ny 100 mm/24 ora) hatramin’ny alahady ka mety hitarika tondra-drano ho an’ireo toerana marefo sy mora tondraka any Sofia, Boeny, Vatovavy, Fitovinany ary Analamanga. Na efa nihena aza ny heriny, azo lazaina ho mafy ny voka-dratsiny. Zaza iray no voalaza fa maty noho ny hatsiaka. Araka ny tatitra omaly tamin’ny 4ora hariva: 01 (zazalahy 10 taona navadikin'ny lakana ); Olona miisa 2 192 avy amin’ny tokantrano 730 dibo-drano, izay mitsinjara amin’ny Faritra Ananjirofo , Distrikan’ny Maroantsetra sy Faritra SAVA , Distrikan’ny Diego II no traboina . Olona 214 nafindra toerana ao amin’ny Gymnase Couvert Toliara) tokantrano 72 (Sites MEDAIR sy CSB Ambinanitelo). Ho an’ny anio maraina, tombanana mbola hikija hatrany ny orana any Diana, Sofia, Analanjirofo, Alaotra Mangoro, Atsinanana ary Vatovavy. Mety hahatratra 50 hatramin'ny 100 mm ny rotsakorana amin'ireo toerana ireo. Hanorana miatoato na hanerika amin'ny ankapobeny any Boeny, Betsiboka, ny atin-tany, Fitovinany ary Atsimo Atsinanana. Handrahona mitsitokotoko kosa ny faritra hafa. Ny Tolakandro, handrahona vitsy any Menabe, Atsimo Andrefana, Ihorombe, Androy, Anosy Sava ary Analanjirofo. Hitohy hatrany ny rotsakorana ka mety ho betsaka indraindray any amin'ny faritra hafa. Tombanana hivoaka an-dranomasina any amin’ny Lakandranon’i Mozambika ny sisan-drahona miaraka amin'i CHENESO amin’ny fiandohan’ny herinandro manaraka.
Toky R sy J.Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT