Mihorohoro sy mitaintain-dava toy ny soabakaka ambodiriana ny mpiasan’ny haino aman-jerim-panjakana RNM sy TVM, indrindra ireo tompon’andraikitra ambonimbony, eo anatrehan’ny feo miely fa fanesorana izay mpiasa tsy akama.
Manomboka misokatra sy mamoha varavarana ho an’ny hery politika samihafa eto amin’ny firenena ny haino aman-jerim-panjakana, hany ka toa tsy mahafaly ny minisitry ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana raha ny resaka mandeha. Izay no anton’ny fandrangarangana fanesorana mpiasa, hany ka rehefa hisy ny filankevitry ny minisitra dia mihorohoro fatratra na mbola hotazonina na handao ny seza. Ny haino aman-jerim-panjakana TVM sy RNM anefa no anisan’ny nanadio sy niaro fatratra ny minisitra Riana Andriamandavy VII tamin’ny raharaha fitarihana besandry nitoratoraka ny Bianco teny Ambohibao sy nitaky ny famoahana an’i Claudine Razaimamonjy, ity farany izay voarohirohy amin’ny kolikoly avo lenta ny volana aprily 2017. Fomba fanaon’ny mpitondra eto amin’ny firenena rahateo moa ny mametraka ny olony. Tsy misy resaka traikefa sy resaka fahaiza-manao intsony ve izany izy ity ? Hatry ny ela no nivoahan’ny resaka fanesorana mpiasa na “sikilaonina” io. Andrasana izay hiseho na hotanterahina na mbola hosainintsainina indray aloha !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.